Entrée | 1 Ny Varavarankelinao |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
5 Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako 6 Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely 7 Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako 8 Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely. 9 Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany, 10 Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa ! 11 Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany 12 Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo… 13 Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao… 14 Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ? 15 Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena… 16 Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao, 17 Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao. 18 Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena. |
Mis à jour le 2025/05/06 |
![]() |